Hezekiah Celebrates the Passover

1. And Hezekiah sent to all Israel and Judah, and wrote letters also to Ephraim and Manasseh, that they should come to the house of the LORD at Jerusalem, to keep the passover unto the LORD God of Israel.
1. Ézéchias envoya des messagers dans tout Israël et Juda, et il écrivit aussi des lettres à Éphraïm et à Manassé, pour qu`ils viennent à la maison de l`Éternel à Jérusalem célébrer la Pâque en l`honneur de l`Éternel, le Dieu d`Israël.
1. Ary Hezekia naniraka tany amin' ny Isiraely sy ny Joda rehetra ka nanoratra taratasy ho amin' ny Efraima sy ny Manase koa mba hankanesany any an-tranon' i Jehovah any Jerosalema hitandrina ny Paska ho an' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
2. For the king had taken counsel, and his princes, and all the congregation in Jerusalem, to keep the passover in the second month.
2. "Le roi, ses chefs, et toute l`assemblée avaient tenu conseil à Jérusalem, afin que la Pâque fût célébrée au second mois;"
2. Fa ny mpanjaka sy ny mpanapaka mbamin' ny fiangonana rehetra tany Jerosalema dia niara-nihevitra ny amin' ny hitandremana ny Paska amin' ny volana faharoa.
3. For they could not keep it at that time, because the priests had not sanctified themselves sufficiently, neither had the people gathered themselves together to Jerusalem.
3. car on ne pouvait la faire en son temps, parce que les sacrificateurs ne s`étaient pas sanctifiés en assez grand nombre et que le peuple n`était pas rassemblé à Jérusalem.
3. Fa tsy nahatandrina azy tamin' ny fotoana izy, satria ny mpisorona tsy mbola nanamasina ny tenany loatra, ary ny olona koa tsy mbola vory tany Jerosalema.
4. And the thing pleased the king and all the congregation.
4. La chose ayant eu l`approbation du roi et de toute l`assemblée,
4. Ary sitraky ny mpanjaka sy ny fiangonana rehetra izany.
5. So they established a decree to make proclamation throughout all Israel, from Beersheba even to Dan, that they should come to keep the passover unto the LORD God of Israel at Jerusalem: for they had not done it of a long time in such sort as it was written.
5. ils décidèrent de faire une publication dans tout Israël, depuis Beer Schéba jusqu`à Dan, pour que l`on vînt à Jérusalem célébrer la Pâque en l`honneur de l`Éternel, le Dieu d`Israël. Car elle n`était plus célébrée par la multitude comme il est écrit.
5. "Dia nandidy handefa teny eran' ny Isiraely rehetra hatrany Beri-sheba ka hatrany Dana izy mba hankanesan' ny olona hitandrina ny Paska ho an' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, any Jerosalema; fa efa ela ireo no tsy nitandrina izany araka ny voasoratra."
6. So the posts went with the letters from the king and his princes throughout all Israel and Judah, and according to the commandment of the king, saying, Ye children of Israel, turn again unto the LORD God of Abraham, Isaac, and Israel, and he will return to the remnant of you, that are escaped out of the hand of the kings of Assyria.
6. Les coureurs allèrent avec les lettres du roi et de ses chefs dans tout Israël et Juda. Et, d`après l`ordre du roi, ils dirent: Enfants d`Israël, revenez à l`Éternel, le Dieu d`Abraham, d`Isaac et d`Israël, afin qu`il revienne à vous, reste échappé de la main des rois d`Assyrie.
6. Dia lasa ny tsimandoa nitondra ny taratasy avy tamin' ny mpanjaka sy ny mpanapaka hitety ny Isiraely sy ny Joda rehetra ka nilaza araka ny didin' ny mpanjaka hoe: Ry Zanak' Isiraely ô, miverena indray amin' i Jehovah, Andriamanitr' i Abrahama sy Isaka ary Isiraely, mba hiverenany ho amin' ny sisa aminareo izay tsy azon' ny tanan' ireo mpanjakan' i Asyria.
7. And be not ye like your fathers, and like your brethren, which trespassed against the LORD God of their fathers, who therefore gave them up to desolation, as ye see.
7. Ne soyez pas comme vos pères et comme vos frères, qui ont péché contre l`Éternel, le Dieu de leurs pères, et qu`il a livrés à la désolation, comme vous le voyez.
7. Ary aza manahaka ny rainareo sy ny rahalahinareo izay nivadika tamin' i Jehovah Andriamanitry ny razany, ka dia natolony ho amin' ny faharavana araka izao hitanareo izao.
8. Now be ye not stiffnecked, as your fathers were, but yield yourselves unto the LORD, and enter into his sanctuary, which he hath sanctified for ever: and serve the LORD your God, that the fierceness of his wrath may turn away from you.
8. "Ne raidissez donc pas votre cou, comme vos pères; donnez la main à l`Éternel, venez à son sanctuaire qu`il a sanctifié pour toujours, et servez l`Éternel, votre Dieu, pour que sa colère ardente se détourne de vous."
8. "Koa aza manamafy ny hatokareo toy ny nataon' ny razanareo, fa atolory an' i Jehovah ny tenanareo, ka midira ao amin' ny fitoerany masina, izay nohamasininy ho mandrakizay; ary manompoa an' i Jehovah Andriamanitrareo, mba hiala aminareo ny fahatezerany mirehitra."
9. For if ye turn again unto the LORD, your brethren and your children shall find compassion before them that lead them captive, so that they shall come again into this land: for the LORD your God is gracious and merciful, and will not turn away his face from you, if ye return unto him.
9. "Si vous revenez à l`Éternel, vos frères et vos fils trouveront miséricorde auprès de ceux qui les ont emmenés captifs, et ils reviendront dans ce pays; car l`Éternel, votre Dieu, est compatissant et miséricordieux, et il ne détournera pas sa face de vous, si vous revenez à lui."
9. "Fa raha miverina indray amin' i Jehovah ianareo, dia hahazo famindrampo eo anatrehan' izay nitondra azy ho babo ny rahalahinareo sy ny zanakareo, ka dia ho tafaverina amin' ity tany ity izy; fa miantra sy mamindra fo Jehovah Andriamanitrareo ary tsy hiamboho anareo Izy, raha miverina aminy ianareo."
10. So the posts passed from city to city through the country of Ephraim and Manasseh even unto Zebulun: but they laughed them to scorn, and mocked them.
10. Les coureurs allèrent ainsi de ville en ville dans le pays d`Éphraïm et de Manassé, et jusqu`à Zabulon. Mais on se riait et l`on se moquait d`eux.
10. "Ary ny tsimandoa nitety ny tanàna hatrany amin' ny tanin' ny Efraima sy ny Manase ka hatrany amin' ny Zebolona; fa nihomehezan' ny olona sy novazivaziny foana izy."
11. Nevertheless divers of Asher and Manasseh and of Zebulun humbled themselves, and came to Jerusalem.
11. Cependant quelques hommes d`Aser, de Manassé et de Zabulon s`humilièrent et vinrent à Jérusalem.
11. Kanefa kosa ny sasany tamin' ny Asera sy ny Manase ary ny Zebolona dia nisy ihany nanetry tena ka tonga tany Jerosalema.
12. Also in Judah the hand of God was to give them one heart to do the commandment of the king and of the princes, by the word of the LORD.
12. Dans Juda aussi la main de Dieu se déploya pour leur donner un même coeur et leur faire exécuter l`ordre du roi et des chefs, selon la parole de l`Éternel.
12. Ary ny tanan' Andriamanitra dia napetrany tamin'ny Joda koa mba hanome azy fo iray hankatò ny didin' ny mpanjaka sy ny mpanapaka noho ny tenin' i Jehovah.
13. And there assembled at Jerusalem much people to keep the feast of unleavened bread in the second month, a very great congregation.
13. Un peuple nombreux se réunit à Jérusalem pour célébrer la fête des pains sans levain au second mois: ce fut une immense assemblée.
13. Ary tamin' ny volana faharoa dia nisy olona maro nivory tany Jerosalema hitandrina ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy lalivay, dia fiangonan-dehibe izany.
14. And they arose and took away the altars that were in Jerusalem, and all the altars for incense took they away, and cast them into the brook Kidron.
14. Ils se levèrent, et ils firent disparaître les autels sur lesquels on sacrifiait dans Jérusalem et tous ceux sur lesquels on offrait des parfums, et ils les jetèrent dans le torrent de Cédron.
14. "Ary nitsangana ireo, ka nandrava ireo alitara tany Jerosalema; ary ny alitara rehetra fandoroana ditin-kazo manitra dia noravany koa ka nariany tany amin' ny sakelidranon' i Kidrona."
15. Then they killed the passover on the fourteenth day of the second month: and the priests and the Levites were ashamed, and sanctified themselves, and brought in the burnt offerings into the house of the LORD.
15. Ils immolèrent ensuite la Pâque le quatorzième jour du second mois. Les sacrificateurs et les Lévites, saisis de confusion, s`étaient sanctifiés, et ils offrirent des holocaustes dans la maison de l`Éternel.
15. "Dia namono ny Paska izy tamin' ny andro fahefatra ambin' ny folo tamin' ny volana faharoa; ary menatra ny mpisorona sy ny Levita ka nanamasina ny tenany sy nampiditra ny fanatitra dorana ho ao an-tranon' i Jehovah."
16. And they stood in their place after their manner, according to the law of Moses the man of God: the priests sprinkled the blood, which they received of the hand of the Levites.
16. Ils occupaient leur place ordinaire, conformément à la loi de Moïse, homme de Dieu, et les sacrificateurs répandaient le sang, qu`ils recevaient de la main des Lévites.
16. "Ary nitsangana teo amin' ny fitoerany tahaka ny fanao izy, araka ny lalàn' i Mosesy, lehilahin' Andriamanitra; ary ny mpisorona nanopy ny rà izay noraisiny avy teny an-tanan' ny Levita."
17. For there were many in the congregation that were not sanctified: therefore the Levites had the charge of the killing of the passovers for every one that was not clean, to sanctify them unto the LORD.
17. Comme il y avait dans l`assemblée beaucoup de gens qui ne s`étaient pas sanctifiés, les Lévites se chargèrent d`immoler les victimes de la Pâque pour tous ceux qui n`étaient pas purs, afin de les consacrer à l`Éternel.
17. Fa nisy maro tao amin' ny fiangonana izay tsy mba nanamasina ny tenany, ka dia ny Levita no nampamonoina ny Paska hisolo izay rehetra tsy madio mba hanamasina azy ho an' i Jehovah.
18. For a multitude of the people, even many of Ephraim, and Manasseh, Issachar, and Zebulun, had not cleansed themselves, yet did they eat the passover otherwise than it was written. But Hezekiah prayed for them, saying, The good LORD pardon every one
18. Car une grande partie du peuple, beaucoup de ceux d`Éphraïm, de Manassé, d`Issacar et de Zabulon, ne s`étaient pas purifiés, et ils mangèrent la Pâque sans se conformer à ce qui est écrit. Mais Ézéchias pria pour eux, en disant: Veuille l`Éternel, qui est bon,
18. Fa nisy olona betsaka, dia maro avy tamin' ny Efraima sy ny Manase sy ny Isakara ary ny Zebolona, no tsy mba nanadio ny tenany, kanefa nihinana ny Paska ihany izy, fa tsy araka izay voasoratra. Fa Hezekia nivavaka ho an' ireny ka nanao hoe: Jehovah tsara ô, mamelà
19. That prepareth his heart to seek God, the LORD God of his fathers, though he be not cleansed according to the purification of the sanctuary.
19. pardonner à tous ceux qui ont appliqué leur coeur à chercher Dieu, l`Éternel, le Dieu de leurs pères, quoiqu`ils n`aient pas pratiqué la sainte purification!
19. Izay rehetra efa nampiomana ny fony hitady an' Andriamanitra, dia Jehovah, Andriamanitry ny razany, na dia tsy madio araka ny fahadiovan' ny fitoerana masina aza izy.
20. And the LORD hearkened to Hezekiah, and healed the people.
20. L`Éternel exauça Ézéchias, et il pardonna au peuple.
20. Ary Jehovah nihaino an' i Hezekia ka nahasitrana ny olona.
21. And the children of Israel that were present at Jerusalem kept the feast of unleavened bread seven days with great gladness: and the Levites and the priests praised the LORD day by day, singing with loud instruments unto the LORD.
21. "Ainsi les enfants d`Israël qui se trouvèrent à Jérusalem célébrèrent la fête des pains sans levain, pendant sept jours, avec une grande joie; et chaque jour les Lévites et les sacrificateurs louaient l`Éternel avec les instruments qui retentissaient en son honneur."
21. "Ary ny Zanak' Isiraely izay tany Jerosalema dia nitandrina hafitoana ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy lalivay tamin' ny fifaliana lehibe; ary ny Levita sy ny mpisorona nidera an' i Jehovah isan' andro isan' andro, ary nihira ho an' i Jehovah niaraka tamin' ny zava-maneno mafy faneno."
22. And Hezekiah spake comfortably unto all the Levites that taught the good knowledge of the LORD: and they did eat throughout the feast seven days, offering peace offerings, and making confession to the LORD God of their fathers.
22. Ézéchias parla au coeur de tous les Lévites, qui montraient une grande intelligence pour le service de l`Éternel. Ils mangèrent les victimes pendant sept jours, offrant des sacrifices d`actions de grâces, et louant l`Éternel, le Dieu de leurs pères.
22. "Ary Hezekia dia nankasitraka ny Levita rehetra izay nampianatra ny fahalalana tsara an' i Jehovah; ary nihinana nandritra ny firavoravoana hafitoana izy sady nanatitra fanati-pihavanana no nanao fiaikena tamin' i Jehovah Andriamanitry ny razany."
23. And the whole assembly took counsel to keep other seven days: and they kept other seven days with gladness.
23. "Toute l`assemblée fut d`avis de célébrer sept autres jours. Et ils célébrèrent joyeusement ces sept jours;"
23. "Ary ny fiangonana rehetra niara-nihevitra ny amin' ny hitandremana hafitoana indray; ka dia mbola nitandrina hafitoana koa tamin' ny hafaliana izy."
24. For Hezekiah king of Judah did give to the congregation a thousand bullocks and seven thousand sheep; and the princes gave to the congregation a thousand bullocks and ten thousand sheep: and a great number of priests sanctified themselves.
24. car Ézéchias, roi de Juda, avait donné à l`assemblée mille taureaux et sept mille brebis, et les chefs lui donnèrent mille taureaux et dix mille brebis, et des sacrificateurs en grand nombre s`étaient sanctifiés.
24. "Fa Hezekia, mpanjakan' ny Joda, nanome vantotr' ombilahy arivo sy ondry aman' osy fito arivo ho an' ny fiangonana; ary ny mpanapaka koa nanome vantotr' ombilahy arivo sy ondry aman' osy iray alina ho an' ny fiangonana; ary maro ny mpisorona no nanamasina ny tenany."
25. And all the congregation of Judah, with the priests and the Levites, and all the congregation that came out of Israel, and the strangers that came out of the land of Israel, and that dwelt in Judah, rejoiced.
25. Toute l`assemblée de Juda, et les sacrificateurs et les Lévites, et tout le peuple venu d`Israël, et les étrangers venus du pays d`Israël ou établis en Juda, se livrèrent à la joie.
25. Ary faly ny fiangonana, dia ny Joda rehetra sy ny mpisorona sy ny Levita sy izay rehetra tafangona avy tamin' ny Isiraely mbamin' ny vahiny izay avy amin' ny tany Isiraely ary izay nonina tany Joda.
26. So there was great joy in Jerusalem: for since the time of Solomon the son of David king of Israel there was not the like in Jerusalem.
26. "Il y eut à Jérusalem de grandes réjouissances; et depuis le temps de Salomon, fils de David, roi d`Israël, rien de semblable n`avait eu lieu dans Jérusalem."
26. "Koa nisy fifaliana lehibe tany Jerosalema; fa hatramin' ny andron' i Solomona, zanak' i Davida, mpanjakan' ny Isiraely, dia tsy mbola nisy tahaka izany tany Jerosalema."
27. Then the priests the Levites arose and blessed the people: and their voice was heard, and their prayer came up to his holy dwelling place, even unto heaven.
27. "Les sacrificateurs et les Lévites se levèrent et bénirent le peuple; et leur voix fut entendue, et leur prière parvint jusqu`aux cieux, jusqu`à la sainte demeure de l`Éternel."
27. "Dia nitsangana ny Levita mpisorona ka nitsodrano ny olona; ary nohenoin' Andriamanitra ny feony, ka niakatra ho any an-danitra, fonenany masina, ny fivavany."
<
>